Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Ohabolana 10.14-19
14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana. 15 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy. 16 Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy. 17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. 18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. 19 Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Ohabolana 10.14-19
Toro-làlana hahazoam-piainana 
1-Miasa amim-pahamarinana (and16)
Nodidin’ Andriamanitra hiasa isika mba ho velona (Gen 2.15). Avy amin’ny asa izay hisasarana no ivelomana (Gen 3.19). Ny asa rehetra dia mahavelona avokoa rehefa atao am-pahamarinana sy araka ny sitrapon’ Andriamanitra . Ny vokatry ny asa atao am-pahamarinana no mitondra filaminan-tsaina ka manome fiainana milamina sy araka ny sitrpon’ Andriamanitra . Fahotana eo anatrehan’ Andriamanitra kosa ny harena azo avy amin’ny tsy rariny sy ny fanambakana .
2-Mandray anatra avy amin’ny Tompo (and17)
Toy ny fitondran’ny ray be fitiavany ny zanany no hitondran’ Andriamanitra antsika . Mikatsaka fiainana ho antsika mandrakariva Izy ka tsy lany rora mananatra antsika . Izay mandray anatra avy Aminy no mahazo fiainana avy Aminy.Ao amin’ny Teniny no andraisantsika ny toro-làlana sy ny anatra omen’ Andriamanitra antsika , mba hahazoantsika ny tena fiainana avy Aminy . Ny fandraisana ny fampianaran’i Jesoa no mitondra antsika ho amin’ny làlan’ny fiainana satria Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana ho antsika(Jao 14.6).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM