Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Aprily 2018

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

Ohabolana 8.32-36
32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; 33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. 34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. 35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah; 36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.

Manolotra ny  fiainany  ny  Tompo 

Ohabolana 8.32-36

Miantso  Rafahendrena 

Aseho  ho toy  ny olombelona ny fahendrena  eto.Tanteraka  tao amin’i Jesoa izany  fahatongavany ho olona  izany ,satria Izy  no ilay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra (1 Kor 1.24). Miantso  Jesoa ilay Fahendrena  koa:

1-Mihainoa mandrakariva Azy mba ho sambatra isika(and32-34)

Mitaona  antsika ho liana  amin’ny fihainoana ny anatra sy ny fanarahan-dia Azy ny Tompo . Fiainana sy fahasambarana no aterak’izany  fanarahana ny Tompo sy fihainoana ny teniny   izany  raha toa ka iainantsika sy ampiharintsika eo  amin’ny fiainana andavanandro .

2-Tadiavo Izy mba hahita  fiainana isika (and35)

Izay  mitady  no mahita   , hoy i Jesoa (Mat 7.8) . Izay  mitady  fiainana  ka maniry  ny hahita  izany   dia tsy   maintsy  manao izay  hifankahitany  amin’i Jesoa amin’ny Soratra masina (Jao 5.39-40). Fahasoavana  roa sosona  no ateraky  izany : fiainana sy fankasitrahana .

3-Tiavo  Izy  mba ho velona isika (and36)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM