Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
1 Korintiana 15.12-21
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? 13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. 15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. 16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; 17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; 18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. 19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. 20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. 21 Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.Manolotra ny fiainany ny Tompo
1 Korintiana 15.12-21
Ny fitsanganan’i Jesoa
Ady hevitra mbola tsy mifarana mandraka ankehitriny ny momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty . Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty no :
1-Manaporofo ny hitsanganantsika koa
I Kristy no santatr’izay efa nodimandry ka natsangan’ Andriamanitra ho velona mandrakizay (and15). Hatsangana toa Azy koa izay rehetra nodimandry ka nino ny Tompo fony fahavelony (Jao 11.25-26). Ny fahaveloman’ny Tompo no miantoka ny fahavelomantsika indray ao ambadiky ny fahafatesana .
2-Vontoatin’ny toriteny kristiana
Ny hitory sy hanambara ny vaovao mahafalin’ny fitsanganany tamin’ny maty no nanirahan’i Jesoa ny mpianany voalohany taorian’ny nitsanganany (Mar 16.6-7). Manohy izany ny fiangonana ka manao ho zava-dehibe ny fanasikasinana izany amin’ny toriteny ataony .
3-Fototry ny finoana kristiana
Ny foto-pinoana no isan’izay maha- izy azy sy mampiavaka ny fiangonana iray amin’ny antokom-pivavahana hafa . Maha- izy azy ny fiangonana kristiana ny finoana ny fisian’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty noho ny finoana ny nananganana an’i Jesoa tamin’ny maty (and16-21) .
Fanontaniana :
Nahoana isika no mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM