Manolotra  ny fiainany  ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Aprily 2018

Manolotra  ny fiainany  ny Tompo

Marka 16.1-11
1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy. 2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo. 3 Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika? 4 Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato. 5 Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy. 6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy. 7 Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo. 8 Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin'olona izy, satria natahotra. 9 [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy] 10 [Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany] 11 [Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany]

Manolotra  ny fiainany  ny Tompo

Marka 16.1-11

Velona Jesoa

1-Nivoha ny fasana

Efa  nisokatra ny fasana raha tonga teo izy  telo  mirahavavy  mba hanatanteraka ireo fombafomba  tsy  vita  nialohan’  ny nandevenana  an’i Jesoa (and1-4). Tsy  vaky fasana  sy halatra  no hita   teto   fa velona  ny  Tompo  . Tsy voatanan’ny  fasana  Izy   satria  manana  ny fanalahidin’ny fiainan-tsy hita sy ny fahafatesana (Apo 1.18). Tsy  toerana  natao   hampitahotra  intsony  ny fasana  fa efa  resin’ny Tompo  ny heriny   rehetra

2-Efa nitsangana Izy

« Efa nitsangana Izy , tsy  ato Izy« .Velona  ny  Tompo  ka any   amin’ny tontolon’ny velona  no ahitana Azy  fa tsy  ao amin’ny tontolon’ny maty intsony (and6) . Te-hanolotra fiainana  ho antsika Izy  ka mialoha  làlana antsika  mandrakariva (and7). Efa  nambaran’i Jesoa mialoha anareo  rahateo  ny tsy  maintsy  hitsanganany  amin’ny  maty   kanefa  nisy  tamin’ny mpianatra  no tsy nino  (Lio 24.7-4 6) . Mampitonantonana ny tsy finoana izany   ka any  amin’ny maty   no hitadiavana ny velona . Aelezo  ny ny nandresen’i Jesoa ny fasana sy ny fitsanganany  tamin’ny maty fa izany   no vaovao  mahafaly lehibe indrindra.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM