Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Lioka 15.8-10
8 Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely* folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?[*Gr.drakma] 9 Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely* izay very.[*Gr. drakma] 10 Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Lioka 15.8-10
Mifaly amin’ny fibebahana ny Tompo
1-Mitady ny very ny Tompo
Harena sarobidy amin’Andriamanitra ny olona . Very tahaka ilay farantsakely tadiavin’ny tompony isika.Tafasaraka tamin’ Andriamanitra Tompontsika isika noho ny fahotana. Harena sarobidy amin’ Andriamanitra ny olona ka tsy tiany ho very na dia iray aza. Nandao ny lanitra sy ny voninahiny i Jesoa Kristy . Nidina sy nitondra ny hazavana hitadiavany tsy miato ny mpanota Izy. Ho an ‘ny olombelona irery ihany no niavian’i Jesoa Kristy. Farito mazava tsara izay tena harena eo amin’ny fiainan’ny fiangonana mba hanomezana ny laharam-pahamehana amin’ny fanompoana hotanterahina .
2-Mifaly amin’ny hareny hita ny Tompo
Vokatry ny fitiavan’ Andriamanitra ny fibebahan’ny mpanota. Tsy ilay farantsakely no mitady ny tompony fa ny tompony no mitady ilay harena very. Fanapahankevitra sy fitiavan’ Andriamanitra ny fikarohana ny mpanota . Fandraisan’ny mpanota izany fitiavan’ny tompo izany no fibebahana . Fivoriam-pifaliana any an-danitra sy ety an-tany ny amin’ny fibebahan’ny mpanota iray (and10). Faly Andriamanitra miaraka amin’ny anjeliny ary faly ny fiangonana miaraka amin’ny olom-boavonjy ety an-tany . Izany fifaliana izany no fahasambarana ambaran’ny Filazantsara .
Fanontaniana:
Ahoana no atao amin’ny olona mibebaka mba handehanany amin’ny sitrapon’ Andriamanitra?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM