Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Marka 14.3-9
3 Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka. 4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao? 5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo. 6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. 7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. 8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy. 9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Marka 14.3-9
Asa fibebahana 
1-Fanosorana menaka an’i Jesoa Kristy
Menaka manitra narda sarobidy indrindra iray tavoara manontolo no nahosotra an’i Jesoa . Nanaiky izany i Jesoa satria tsy mbola nisy olona nanao fanosorana Azy teto an-tany araka ny fanaon’i Mpisoronabe amin’ny mpanjaka na ny mpisorona (Lev 8.12) . Noraisin’i Jesoa manetry tena ho fahamarinana ny nataon’ity vehivavy ity . Mesia mpisoronabe hitondra sy handray ny fibebahana sy hamela heloka ny mpanota ny Tompo .
2-Fanamboarana an’i Jesoa halevina
Vonona ho faty sy hitondra fibebahana ho an’ ity vehivavy ity sy izao tontolo izao i Jesoa . Manaiky hosorana dieny mbola velona Izy ho fitehirizana ny faty , araka ny fomba Jiosy . Dieny mbola velona i Jesoa Kristy no karakaraina . Andriamanitra velona no Tompo tompointsika . Tsy misy mahasakana ny fanolorantena feno sy ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy . Mazotoa manompo.
3-Tsaroan’i Jesoa Kristy izay manosotra Azy
Holazaina miaraka amin’ny fitoriana ny Filazantsara ny nataon-dravehivavy . Sitrak’i Jesoa ny nataon’i Maria sy ny fitiavany (jereo Jao 12.3) . Nafoiny ho an’i Jesoa Kristy izay nananany rehetra . Tsy menatra ho sakaizan’ny mpanota i Jesoa Kristy ary tsy menatra ny hanaiky an’i Jesoa ho Tompo i Maria . Manamasina an’i Kristy ao am-pony i Maria (1 Pet 3.15) . Mankasitraka ny asa tsara ny Tompo .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM