Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo 

Zakaria 9.9-11
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata] 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo 

Zakaria 9.9-11

Mampifaly  ny zanak’i Ziona Andriamanitra 

1-Maniraka ny  Mesia mpanjaka  Andriamanitra 

« Mpanjaka  marina  Izy  sady  manam-pamonjena« , mpanjaka malemy fanahy . Tonga ny  mpanjaka andrasan’ny zanak’ Israely . Ao  Jerosalema no   idirany  hitondra fifaliana sy fahasambarana . Ambaran’ny  mpaminany   fa tsy mitaingin-tsoavaly  tahaka ny  mpanjakan’ny  firenen-kafa  Izy , fa zana-boriky  tanora. Mpanjaka tsy hampiasa  ny  herin’ny  tafika  fa ny herin’ny fandeferana sy ny fanetrentena . Mesia mitondra famonjena  ho an’ny vahoakany  . Fanafahana amin’ny fahotana sy famerenana ny Israely  amin’ny fanekena

2-Manorina  fiadanana sy  fanekena  ny mpanjaka  

Apetrak’ Andriamanitra  ho an’ny Mesia Mpanjaka  ny  fanorenana ny  fiadanana ho an’Israely  sy ny Jentilisa (and10) (and 10) . Hotanterahin’ny Mesia ny fiadanana :tsy hisy  ny  kalesy sy soavaly  ary   ny tsipika  ho fiadiana   fanafihana . Tsy  hiady  an-trano  ny  Israely  ary tsy hiady   amin’ny   Jentilisa . Ho  mpihavana  ny Israely  sy ny Jentilisa . Andriamanitra  no Mpanjakan’ny  tany rehetra  sy ny ranomasina  ary ny ony . Manao fanekena  amin’Israely  Andriamanitra  . Mamoaka  ny  mpifatotra  amin’ny ran’ny fanekena  (and11) . Tandindon’i Jesoa Kristy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana  izany .Mamaha  ny olona fatoran’ny fahotana sy ny devoly  ary ny voafonja vokatry  ny tsy fahamarinana ny fanekena ataon’ny Tompo .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM