Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo

Lioka 15.1-7
1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy. 2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. 3 Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe: 4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5 ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; 6 ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. 7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Lioka 15.1-7

Mahafaly ny Tompo  ny fibebahana 

1-Manatona ny Tompo ny olona mibebaka 

Famaritana  omen’ny Soratra masina eto  fa  ny fanatonana an’i Jesoa Kristy  no tena  fibebahana  marina . Manapa-kevitra  ireo mpamory  hetra sy ny mpanota  « nanatona hihaino  an’i Jesoa « (and 1) . Raisiny  sy asandrany  izay  manatona  sy mihaino  ny teniny  :« ataony eny an-tsorony »  (and5). Mahafaly  an’i Jesoa ny mahita  indray  ny ondriny very, dia  ny mpanota mibebaka . Tsy  menatra  izay  manatona Azy i Jesoa . Tokana aman-tany  ny olona tsirairay : tian’ i  Jesoa  ka tsy maintsy  mitady  azy ireo  Izy .

2-Mitady  ny very ny Tompo 

Maro  ny olom-boavonjy  , fa tena  sarobidy  amin’ny Tompo   ny anankiray   very  amin’ny ondriny  . Hamonjy  ny  olona rehetra  mpanota sy  very   no  antony   manokana nidinan’ Andriamanitra  tety an-tany , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Mitady  ny maditrany i Jesoa . Tsy  misy  manana  hevitra  sy ho afaka mamonjy  ny mpanota afa-tsy  i Jesoa irery  ihany . Manan-danja  sady sarobidy  amin’i Jesoa  ny olombelona . Mitady sy manangona ny very Izy .

3-Mifaly  miaraka  amin’ny Tompo any an-danitra

Miombom-pifaliana ny mponina  any an-danitra  rehefa  mibebaka  ny  mpanota . Mampiray  fifaliana  ety an-tany  sy any an-danitra  ny fibebahana ao  amin’i Jesoa Kristy . Isan’ny  làlana  hahatongavan’ny mpanota  any an-danitra  ny  fibebahana . Mahita antsika ny Tompo  ao  amin’ny fibebahana marina tokoa .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM