Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Jeremia 36.1-10
1 [Ny nanoratana ny tenin'i Jeremia, sy ny namakiana azy teo an-kianjan'ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe: 2 Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany. 3 Angamba hoheverin*'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.[Heb. hohenoin'] 4 Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy. 5 Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i Jehovah; 6 fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa. 7 Fa angamba ny fifonany hoborahina* eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.[Heb. hiankohoka] 8 Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah. 9 Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda. 10 Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Jeremia 36.1-10
Mampibebaka ny mpanjaka sy ny Joda Andriamanitra
1-Mampanoratra an’i Jeremia Andriamanitra
Raketina an-tsoratra ny Tenin’ Andriamanitra ampitaina amin’ny mpanjaka sy ny Joda . Miala nenina aminy ny Tompo mba hibebahany ka hialany amin’ny fanompoantsampy sy ny tsy fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra . Miantehatra amin’ny Egyptiana i Joiakima mba hanoherana ny Babyloniana (2 Mpan 24 ) fa tsy mihaino izay teny entin’i Jeremia avy amin’i Jehovah . Manome teny hampitsaharana ny loza i Jehovah , raha manaiky ny mpanjaka sy ny mpanapaka aty ny Joda (and3)
2- Mampanoratra an’i Baroka i Jeremia
Ampitain’ny mpitantsoratr’i Jeremia i Baroka aamin’i Joda sy ny mpanjaka ny Tenin’i Jehovah . Tsy afaka mankany amin’nyTempoly i Jeremia noho ny antony manokana , nefa mbola tsy tany amponja izy tamin’izany ( jereo 19.26) . Tsy voasakana ny Tenin’ Andriamanitra hampibebaka ny mpanjaka sy ny vahoakany . Tsy manatanteraka ny fikapohana Andriamanitra raha tsy efa nananatra sy niala nenina .
3-Mampiala amin’ny fivavahan-diso Andriamanitra
Mivavaka sy mifady hanina ny Joda fa tsy mihaino ny Tenin’ Andriamanitra (and6). Fivavahana tsy mampiala amin’ny fahotana sy ny ratsy ny fivavahan’ny Joda . Mitarika azy i Jehovah mba hanenina sy hiala amin’ny fahotany(and7) . Isany no fahamarinan’i Jehovah.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM