Mibebaha  eo  antrehan’ny  Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Martsa 2018

Mibebaha  eo  antrehan'ny  Tompo

2 Samoela  24.4-11
4 Nefa tsy azon'i Joaba sy ny komandin'ny miaramila nolavina ny tenin'ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin'ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin'ny Isiraely. 5 Ary nita an'i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan'ilay tanàna afovoan'ny lohasahan-driak'i Gada, dia nankany Jazera. 6 Dia tonga tany Gileada izy, tany amin'ny tamin'i Tatima-hodsy*, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,[Na: tany amin'ny tany lemaka vao azo] 7 ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin'ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin'ny tany atsimo izay an'ny Joda hatrany Beri-sheba izy. 8 Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro. 9 Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra* tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.[Heb. mpanatsoaka sabatra] 10 Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho. 11 Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

Mibebaha  eo  antrehan’ny  Tompo

2 Samoela  24.4-11

Ny  fibebahan’i Davida 

1-Fahatsiarovan-tena  fa nanota

Noho  ny fahatezeran’i Jehovah  tamin’Israely dia nanisa ny vahoakany  i Davida  . Lazaina  ao  amin’ny tantara  fa hevitra  avy amin’i satana   no nahatonga   an’i Davida  hanisa  ny olona (1 Tim 21.1). Mahatsiaro  tena  ho diso  i Davida rehefa nandray ny tatitry ny fanisana (and9) . « Efa nanota  aho , hoy i Davida ». Nampaniraka  ny  mpitari-tafika  izay efa  nisalasala  : »Ahoana  no itiavan’ny mpanjaka  tompoko  hanao  izany zavatra izany?   » (and3) . Tsaroan’i Davida fa feno fireharehana ny  fony  ny  amin’ny herin’ny tafika . Isan’ny lehilahy mahery no azo fa tsy ny vahoaka . Ny  mpisorona  sy ny Levita   mpanao  fanompoana  aza tsy  fantatra . Adinony  Ilay  Jehovah   mahery  Titoha  sy  manome  fandresena (Sal 24.8).

2-Fifonana  amin’i Jehovah

Mety   tokoa   hisy   asa tanteraka  eo  amin’ny fiangonana  sy ny firenena  fa tsy   araka  ny sitrapon’ Andriamanitra . Mitondra  ho amin’ny fibebahana ny fanaovana  tombana  ny asa natao   sy ny  fandinihan-tena  . Na iza  na iza   eo  amin’Isrely dia ambany  fahefan’i Jehovah avokoa . Izany  no nahatongavan’ ny tenin’i Jehovah tamin’ny mpahitan’i Davida (and11). Fianarana ho antsika ny fiaikena  sy ny fifonana  nataon’i Davida (and10). Tsy miandry  loza na kapoka  isika  na porofo  vao  hi16bebaka  . Mampibebaka  ny fihaonana  amin’ Andriamanitra   sy  ny teniny  . Mibebaha   eo  anatrehany   ao  amin’ny mangingina (Mat  6.6)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM