Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Apokalypsy 2.18-29
18 [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [* Gr. eklesia] 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia] 24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Apokalypsy 2.18-29
1-Mitarika azy hanompo
Ny asa fanompoana efa nataon’ny fiangonana dia miharihary eo anatrehan’ Andriamanitra . Nanao asa lehibe noho ny teo aloha ny tao Tyatira . Jesoa efa nampianatra fa hanao asa lehibe ny fiangonana rehefa tsy ety an-tany intsony izy . Mitarika antsika hanatanteraka ny anjarany avy saingy tsy tokony haroharoana faharatsiana satria tsy zakan’ Andriamanitra ny fivoriana masina afangaro amin’ny fanompoantsampy tahaka an’i Jezebela .
2-Manarina ny lavo
Ny fibebahana ihany no endrika fanarenan’ny Tompo ny lavo . Manan-kery hamafana ny heloka sy ny fahotana rehetra ny sorona nataon’ny Tompo tamin’ny tenany , dia ny nandatsahany ny Rany ho fanavotana antsika . Tiany handresy ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana rehetra isika ka omeny ny teniny ho fanarenana . Aoka hivelona amin’ny teniny ny finoantsika , ny asa fanompoana dia hatao mifanaraka amin’ny sitrapony ao amin’ny Soratra masina rahateo hanamarika fa mpanompony isika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM