Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Apokalypsy 3.1-6
1 [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] 2 Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)] 3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory] 4 Kanefa misy olona* vitsy at? aminao at? Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana] 5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Apokalypsy 3.1-6
Anankiray amin’ny taratasy fito nalefa ho an’ny fiangonana fito no hita eto . Ny fiangonana tany Sardisy no nomena azy . Milaza ny olona maty fahavelony , izany hoe: manondro ireo manaram-po amin’ny fanaovan-dratsy ny taratasy ka mitarika azy hanorina izay sisa tsy maty .
1-Sarobidy ny fihaonana tamin’ny Tompo
Izay efa nihaona tamin’ny Tompo dia nesoriny tamin’ny fahalotoana tanteraka . Toy ny olona nanasa ny akanjony mba ho fotsy sy madio izany . Paoly Apostoly , rehefa niova fo dia mitondra anaram-baovao , nasehon’ny Tompo azy ny fahefany aminy ary lasa mpanompon’ Andriamanitra na dia efa nanenjika ny mpianatry ny Tompo aza. Voaova ho olom-baovao izay manatona sy mibebaka marina eo anatrehan’ Andriamanitra . Aoka isika hanome lanja ny andro nanavaozan’ny Tompo ny fiainantsika sy nanekentsika ho tia sy hanompo Azy .
2-Mampahery ny fiaraha-mandeha Aminy
Miara-mandeha amin’ny Tompo mitafy lamba fotsy ireo tsy nandoto ny fitafiany . Hiara-mandroso amin’ireo koa isika raha maharesy ny fitaoman-dratsy sy ny fakampanahy alefan’ilay ratsy handotoany antsika . Voasoratra anarana eo amin’ny bokin’ny fiainana izay vita fihavanana sy efa miara-mandeha amin’ny Tompo . Mampahery antsika hanatona hodiovin’ny Tompo amin’ny Rany mba hahazo famelan-keloka sady hotantanany amin’izay hatao . Mivavaka sy manao ny sitrapon’ny Tompo ny mpanompony ka ho hita ho vavolombelon’ny finoana Azy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM