Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan'ny  Tompo 

Hosea  12.1-7
1 [Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky. 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta. 3 Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony. 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra; 5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy. 7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo 

Hosea  12.1-7

Hatramin’ny  fotoana  nialan’ny  olona  voalohany  tamin’ny fankatoavana  ny  Tenin’ Andriamanitra  dia mitady izay hanarenana  azy ny  Tompo , Mpamonjy  Izy  . Koa  mivoitra  eto  ny fanarenan’ny Tompo ny lavo .

1-Miresaka sy miteny ny  Tompo (and4-5)

Zava-dehibe miavaka  ho  antsika kristiana ny  manana Andriamanitra  afaka  miresaka  sy miteny  amintsika  . Ny  Baiboly  no hanehoany  ny  famonjeny   sy ny  Teniny  amintsika . Izy  no manatona  aloha  mba hifikirantsika Aminy . Izy  Ilay  efa tia  antsika  taloha  ary tia  antsika  hatramin’ny farany . Henoy  àry ny ny antson’ny Tompo  mitaona  antsika  fony  Izy teto  an-tany  ka mivavaha  mba  ho setrin’izany  . Ny vavaka  no nampianariny  hiraisantsika  Aminy  indray . Resaka hatao  Aminy  tokoa izany .

2- Mitady  ny  fomba rehetra  Izy (and6-7)

Efa  fantany  tsara ny momba  antsika tsirairay  tahaka  ny hitanisany ny nataon’i Efraima  sy Joda . Tsy  misy  azontsika  hialana eo anatrehany  eo  anatrehany  , mampitandrina  antsika  hanao  ny  tsara  ary  mampiandry  antsika  ho  vavolombelony ny Tompo . Miharihary  izany  fa  ny fombany  rehetra no hanangonany  antsika  ho  eo anatrehany . Porofo  izany  fa  tsy mahafoy na mandao  antsika ny Tompo . Ataony  izay  mahafaly sy mahasoa   antsika  ka aoka  isika  hihaino  sy hankato  ny Teniny  mba hamirapiratra ny fahasoavany  sy ny voninahiny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM