Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Lioka 15.25-32
25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. 26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. 27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. 28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. 29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. 31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. 32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Lioka 15.25-32
» Fa mety ny mifaly sy miravoravo , fa ity rahalahinao ity efa maty , fa velona indray ,ary efa very fa hita indray « (and32).
Izany teny izany koa no maneho ny Tenin’ny Tompo amin’izay tonga amin’ny fifonana sy ny fiaiken-keloka eo anatrehany .
1- Ifaliana satria efa maty fa velona indray
Fanoharana nataon’i Jesoa mba hanazavany ny antony nanatonan’ny mpamory hetra sy ny mpanota hihaino Azy ka nampimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna no hita eto . Aoka hifaly ny fiangonana rehefa misy olona miverina miangona indray na dia efa fotoana ela aza tsy nahatongavany . Fa avy amin’ Andriamanitra ny mitaona olona hanatona Azy , hoy i Jesoa ary Izy no mahay manangana ny maty sy manome azy fiainana . Mety ny manatona ny Tompo na inona na inona endri-pahotana . Mifaly ny any an-danitra noho ny mpanota mibebaka . Manatona hosasany .
2-Ifaliana satria « efa very fa hita indray »
Jesoa Kristy dia tonga hitady sy hamonjy ny very: tsy misy foiny ho very ny olony sy ny ondry fiandriny . Izany no nidinany tety an-tany . Ny olona anefa no mivily sy maniasia amin’ny ratsy . Koa izany no namelarany ny Teniny hitaona azy hiaiky fahotana sy hibebaka eo anatrehany . Mahafaly ny Tompo ny mahita antsika indray manompo Azy . Miandry antsika ho tia sy hankato ny Teniny Izy . Manafy antsika ho tia sy hankato ny Teniny Izy . Manafy antsika fitafiana vaovao izy sady mampisakafo tsara raha miverina eo aminy isika . Aza variana any ivelan’ny vala sao ho very .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM