Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Jeremia 4.1-2
1 Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana, 2 Fa hianiana amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Jeremia 4.1-2
Nanamarika ny fiainan’ny Zanak’ Israely fony izy ireo tany anefitra ny tsy fatokiana tanteraka an’ Andriamanitra .Nandefasana menarana hanaikitra azy ireo vao nitalaho fanavotana sy vonjy tamin’ Andriamanitra . Nomena azy ireo tamin’izay ny menarana afo ka izay mijery izany no velona . Zava-dehibe izany ny finoana sy ny fatokiana an’ Andriamanitra Tompo fa :
1-Mahatonga antsika aho mpandresy
Na maro aza ny zava-tsarotra isedran’ny Tompo ny fiainan’ny mpino dia mampifikitra azy amin’ny finoana sy ny fatokiana ireny . Araka ny tenin’ny mpanao Salamo hoe: « soa ihany aho nampahoriana mba hianarako ny didinao « (Sal 119. 71). Eto dia anarin’ny Tompo isika hiverina Aminy ka handresy ny fahafatesana noho ny fahotana fa Izy no hamoaka antsika amin’ny fitahiana . Ny miverina Aminy ihany no mandray ao anatiny ny fahamarinana . Aza ela isika . Manapaha hevitra hiverina Aminy .
2-Mahatanteraka ny teny fikasany
Nolazain’i Jesoa Kristy tokoa ny fahasambarana ho an’ny mpino rehefa nitory teny tany an-tendrombohitra Izy . Tonga reharehantsika ny manana Azy ho Tompo sy Mpamonjy antsika rehefa nandray Azy isika . Tanteraka izany izao tenin’ny mpaminany izao tao amin’i Jesoa Kristy Tompo . Koa aoka isika hifikitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia hesoriny ao amin’ny fotaky ny fahotana . Hisy loza hanjo izay tsy miverina ary tsy mibebaka (Jer 4.3)
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM