Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan'ny  Tompo 

Hosea 14.2-4
2 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao. 3 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb. haloanay][**Heb. vantotr'ombilahy] 4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo 

Hosea 14.2-4

Rehefa mibebaka  ny  olona  dia mamindra fo Andriamanitra  . Mampiseho  izany fa Andriamanitra   no ahitan’ny  mino   famindrampo . Koa  ny fiverenana Aminy   no antso  avo   ataon’ny  mpaminany  .

1-Miverena mba  ho   voavotra 

Mety hifarana  amin’ny fahaverezana   sy ny fahafatesana  ny làlan’izay  nahafoy  sy tafasaraka   amin’ Andriamanitra noho   ny  tsy nihainoana ny Tenin’ Andriamanitra  sy tsy mba nitandremana ny didiny . »Lavon-keloka » no hilazan’ny Soratra masina ieo  tsy  mankato  ka mitoetra ao anaty   fahotana ihany . Maty fahavelony  izy , izany hoe: mihevi-tena ho  tafita  na tsy  mino  sy tsy mivavaka  aza kanefa fiainana  manalavitra  Ilay  Tompon’ny aina  izany  . Jesoa Kristy  no  efa   maty  hamelona antsika . Koa  mibebaha   eo anatrehany mba hamindrany  antsika  hiala  amin’ny maizana  ho amin’ny fahazavana.

2-Miverena mba handray   famindrampo 

Ambara   koa hoe: tena fitiavana  ny  famindrampo  satria  fialana na famindrana toerana  olona iray  avy amin’ny maizina  ho amin’ny fahazavana mahagaga no hataon’ny Tompo  amin’izay  namindrany  fo  . Jesoa Kristy  dia naneho  endrika famindrampo  maro  fony  izy  tety an-tany  . Tao   ny nesorina  tamin’ny  fahajambana  , ampianarana mba hahalala ny herin’ Andriamanitra  sy ny fitiavana nositranina tamin’ny aretina maro  samy hafa , fitiavana tsy  nijereny  ny  ditra   sy ny adalan’ny  olona  ny  famindrampo . Koa mitaona antsika hiverina hiara-dàlana amin’ny Tompo  isanandro  , handeha  araka ny Fanahy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM