Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Ezekiela 14.6-11
6 Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. 7 Fa na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro; 8 ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin'ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 9 Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin'ny Isiraely oloko izy. 10 Ary hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin'ny helok'izay manontany aminy koa, 11 mba tsy hialan'ny taranak'Isiraely amiko intsony, ary tsy handotoany ny tenany intsony amin'ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny, hoy Jehovah Tompo.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Ezekiela 14.6-11
Manavaka ny mpaminany marina sy sandoka ny Tompo ary manome fitarihana antsika fa Andriamanitra no tokony hohenoina sy handraisana fanolorantsaina . Tsy manafina ny marina tokony hambara ny mpaminany marina ary tsy manova izay hanirahana azy na zavatra tsy mahafaly ny olona aza izany indraindray .
1-Mandefa teny fanarenana ny Tompo
« Mibebaha dia miambohoa ny sampinareo » (and6). Ho antsika koa izany teny izany mba hanomezana anjara toerana ao am-po ny fanompoana andriamanin-kafa toy ny fametrahana fitokisana amin’ny vintana , ny kisendrasendra , ny finoanoampoana sns…Jesoa Kristy dia te-hanjaka ao am-pon’izay mino Azy raha niteny ny hoe: »ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo « (Lio 17.21). Aoka handray ny tenin’ny Tompo isika ary hanaiky hibebaka sy hanary ny sampin’ny fontsika tsirairay . .
2-Manaisotra ny faharatsiana ny Tompo
« fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny »(and11). Hoesorin’ny Tompo tsy hifangaro amin’ny olony ny mpaminany sandoka mba hiavahan’ny olony ka hahatonga azy ireo tsy hiala amin’ Andriamanitra . Taratry ny fanjakan’ Andriamanitra tsy misy fitaka ny fiverenan’ny fifandraisana eo amin’ny olona sy Izy Tompo. Tsy mba sitraky ny Tompo tokoa ny hisian’izay ho very saingy ireo tsy miverina amin’ Andriamanitra dia hitondra ny heloky ny tenany . Aoka isika hino ny famonjeny sy hifikitra Aminy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM