Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Jaona 8.39-47
39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo. 40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama. 41 Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany. 42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako at? ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy. 43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')] 45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo. 46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy? 47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Jaona 8.39-47
Ny tena zanak’ Andriamanitra 
1-Manao asa tsara
Milaza ho zanak’i Abrahama ireto Jiosy miresaka amin’i Jesoa Kristy . Ny toetra anefa dia mifanohitra tanteraka amin’izany satria i Abrahama dia olon’ny finoana , feno fatokiana sy fankatoavana an’ Andriamanitra . Tsy manana ny toetran’i Abrahama ireto Jiosy ireto. I Jesoa Kristy milaza ny marina , manao ny asan’ Andriamanitra indray no notadiavin’izy ireo hovonoina . Asa ratsy no kasain’izy ireo atao .Tsarovy fa ny tena zanak’ Andriamanitra dia mino sy mankato ny Tenin’ Andriamanitra ary mivonona hanao asa tsara mandrakariva.
2-Mihaino ny Tenin’ Andriamanitra
Aharihary eto fa zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra ny fahaizana mihaino Azy, ny fanarahana , ny fankatoavana na fampiharana eo amin’ny fiainana izay lazainy . Ny teniny no mampifandray ny zanany amin’ Andriamanitra Ray koa izay zanany marina tokoa dia mangetaheta hihaino izay lazainy isanandro . Manokàna fotoana isanandro hahafahanao mihaino ny Tenin’ Andriamanitra , hifaneraseranao Aminy , handraisanao ny toro-làlana hitondranao ny fiainana dia ho tena zanany marina tokoa ianao.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM