Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

1Mpanjaka  11. 38-39
38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao*, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao] 39 Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

1Mpanjaka  11. 38-39

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra 

1-Manaraka  ny toro-làlana  avy  amin’ Andriamanitra

Aseho  fa Andriamanitra  mihitsy  no  mifidy  sy hametraka  an’i Jeroboama   ho  mpanjakan’Israely  rehefa hizara   roa ny fanjakana . Manoloana  izany  andraikitra  izany  dia  mananatra  an’i Jeroboama Izy  mba tsy handeha  amin’izay tiany  hitondrany ny fanjakana izy  fa manaraka   ny  toro-marika avy amin’  Andriamanitra hatrany  . Adidiny  ny mihaino  ny Tenin’ Andriamanitra  ambara aminy  , ny  manaraka  ny làlana  voasoritr’ Andriamanitra  hizorana  ary  indrindra  ny  miaina  sy ny mivelona  amin’izany .

2-Ampanantenana fitahiana 

Raha  manaraka  tsara   ny toro-marika  omen’ Andriamanitra  azy i Jeroboama  dia voalaza   eto  fa hotanterahin’ Andriamanitra  aminy ny   fiainam-pitahiana : »ho  aminao Aho  ka hampaharitra   ny  taranakao … ary omeko anao  ny  Israely« . Maneho  izany  fa fahombiazana  ho  an’ny  fitondran’ny  olom-boafidin’ Andriamanitra   ny fanekena hihaino sy handray ny toro-marika omeny  . Izay   tsy  mety  mihaino  , tsy  mandray  kosa  dia fahapotehana  sy faharavana . Meteza  ianao  hihaino  , handray  ny toro-marika avy  amin’ny Tenin’ Andriamanitra  hitondranao ny fiainanao  dia ho tsapanao  fa fiainam-pitahiana hotanterahiny  ho anao .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM