Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
1 Samoela 15.16-29
16 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary. 17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely; 18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano* avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema] 19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah? 20 Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra. 21 Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala. 22 Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. 23 Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa. 24 Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony. 25 Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah. 26 Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony. 27 Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra. 28 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao. 29 Ary koa, ny Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
1 Samoela 15.16-29
Ny olona mihaino ny Tenin’ Andriamanitra 
1-Tsy maintsy mankato
Tsy nandray ny toromarika nambaran’i Samoela i Saoly mpanjaka . Nihevitra ny tenany ho nanan-tsaina ambony , ary nahazo sambobelona an’i Agaga mpanjakan’i Amalekita ka nanao fanatitra ho an’ Andriamanitra tamin’ireo biby heveriny ho tsara sy matavy. Diso hevitra izy noho izany , nihaino fotsiny fa tsy nanatanteraka ny toromarika nomen’ Andriamanitra fa tokony haringana ny Amalekita sy ny fananany . Tsy nankasitrahan’ Andriamanitra ny zavatra nataony . Tsarovy fa ianao mankato ny Tenin’ Andriamanitra no zava-dehibe fa tsy ny fanatitra entinao na dia heverina ho tsara indrindra aza.
2-Tsaraina
Noho ny tsy fanakatoavana ny Tenin’ Andriamanitra dia niharan’ny sazy i Saoly mpanjaka . Nolavin’ Andriamanitra ny maha- mpanjaka azy . Tsy azo vazivaziana ny Tompo , eny fa na dia niaiky ny fahadisoany , nifona noho ny fahotana nataony aza izy dia mazava ny fanapahan-kevitr’ Andriamanitra . Esoriny amin’ny fanjakana i Saoly . Efa misy olona voaomana handimby azy eo amin’ny fanjakana. Ataovy ho zava-dehibe hatrany eo amin’ny fiainanao ny Tenin’ Andriamanitra , ankatoavy , iaino izay ambarany aminao dia ho azo antoka ny ho avinao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM