Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Apokalypsy 1.1-3
1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, 2 Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. 3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Apokalypsy 1.1-3
Ny irak’ Andriamanitra 
1-Mihaino ary manambara
Ny fanambarany an’i Jesoa Kristy ho ren’ny olona rehetra no anjara fanompoana niantsoany ny mpanompony . Aseho eto fa mba hahatanteraka izany dia Andriamanitra Ray no manome torohevitra ny zanany ny amin’izay tokony hambara sy haseho . I Jesoa Kristy indray no manolotra sy mampahafantatra amin’ny olony izay tokony holazainy amin’ny fanirahany ny anjely . Noho izany , izay mahay mihaino no afaka mandray tsara ilay hafatra sy mampahafantatra izany . Isanandro ianao dia mandray ny hafatr’ Andriamanitra . Meteza ho tena irak’ Andriamanitra hanambara izany amin’ny manodidina anao .
2-Maneho ny fikasan’ Andriamanitra
Tanjon’ Andriamanitra amin’ny fanirahana ny mpanompony ny hahatonga izao rehetra izao hahalala fa i Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy . Noho izany , izay manaiky sy mihaino ary indrindra mitandrina , miaina amin’ny teny filazana ny amin’i Jesoa Kristy sy ny asany notanterahiny teto amin’izao tontolo izao dia mandray fiainana vaovao , manana ny fiainam-pahasambarana . Anjara fanompoana hanirahan’ Andriamanitra ny mpanompony araka izany ny haneho izany fikasan’ Andriamanitra izany .Koa raha nihaino ianao , fantatrao ny làlana mitondra ho amin’ny fiainam-pahasambarana dia lazao , ambarao amin’ny namanao izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM