Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Marka 7.14-23
14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. 15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:] 16 [Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino] 17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany. 18 Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. 20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. 21 Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, 22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3] 23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Marka 7.14-23
Ny mahaloto ny olona 
1-Tsy ny sakafo
Nanome tsiny an’i Jesoa ny fariseo sy ny mpanora-dalàna satria tsy mba annaraka ny fampianarana voatolotry ny razana izy ireo . Avy hatrany dia nihinan-kanina tamin’ny tànana tsy voasasa . Nampianatra noho izany i Jesoa Kristy fa ny sakafo miditra avy any ivelany miditra ao an-kibo , tsy mahakasika ny toetry ny fo . Araka izany , tsy ny sakafo no mampaloto. Tsy mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra ny fanajana ny fampianarana voatolotry ny razana . Ny fampianaran’ Andriamanitra no tokony kajiana sy tandremana fatratra .
2-Ny toetry ny fo
Ahariharin’i Jesoa Kristy eto fa ny mivoaka avy ao anaty no tena mampahaloto ny olona .Ny toetry ny fon’ny olona tokoa mantsy dia miseho hitan’ny rehetra . Ny fo anaty no maneho ny maha- olona ny olona . Avy ao am-po no miainga ny fihetsehampo , ny faniriana .Koa rehefa tsy madio ny fo dia mitarika ny olona ho amin’ny faharatsiana , fandikana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fitondrantena tsy mendrika izany . Rehefa madio ny fon’ny olona mitandrina sy mankato ny Tenin’ Andriamanitra dia resy ny fahotana . Jesoa Kristy dia efa nilaza fa sambatra ny madio am-po , fa izy no hahita an’ Andriamanitra .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM