Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 20 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
1 Jaona 4.4-6
4 Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. 5 Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. 6 Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
1 Jaona 4.4-6
Ny olona mahay manavaka ny fampianarana 
1-Manana ny Fanahy masina
Mananatra ny kristiana i Jaona mba tsy hinohino foana ny fanahy rehetra . Miankina amin’ny fanahy miasa ao anatin’ny olona ny fampianarana ambarany . I satana dia miezaka mandrakariva ampirenireneny ny olon’ Andriamanitra . Kanefa rehefa manaiky tarihin’ny Fanahy masina dia mahay manavaka ny fampianarana marina amin’ny fampianaran-diso ny mpino . Tsarovy fa miaina eto anivon’izao tontolo izao isika , maro ireo karazam-pampianarana miseho ankehitriny . Meteza hotarihan’ny Fanahy masina ianao dia hiorina tsara amin’ny finoana , hitoetra amin’ny famonjena efa notanterahin’i Kristy .
2-Tena olon’ Andriamanitra
Ambaran’i Jaona eto fa iraka avy amin’ Andriamanitra izy . Iraka maneho ny fahamarinana araka an’ Andriamanitra . Ny tena olon’ Andriamanitra miombom-piainana amin’ Andriamanitra « mahalala an’ Andriamanitra » mahay mihaino , mahay mandray ny fampianarana entiny . Izao tontolo izao ihany no afaka mifampihaino , mifampizara fampianarana . Ampitandremana fatratra noho izany ny mpino tsy handray ny fampianarana mifanohitra amin’ny finoana marina mahakasika an’i Jesoa Kristy , Ilay Andriamanitra tonga nofo namonjy ny olona rehetra .
Fanontaniana: