Mihainoa ny Tenin’ ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin' ny Tompo 

Eksodosy 23.20-23
20 [Ny niantohan'Andriamanitra hiaro ny Zanak'Isiraely sy hamponina azy soa aman-tsara ao amin'ny tany Kanana] Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko. 21 Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy. 22 Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho. 23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,

Mihainoa ny Tenin’ ny Tompo 

Eksodosy 23.20-23

Ilay Andriamanitra mitana ny teny nomeny

1-Manome lova ny olony

Nampanantena Andriamanitra  fa ny tany Kanana no nomeny  ho lova ho an’ny Zanak’Israely . Koa mba hahatanteraka izany  dia manome toky  Izy fa  maniraka ny anjeliny  ho mpitari-dàlana , hanokatra nv ny làlana izorana  , eny hiady  raha misy fahavalo  manakatsakana  eny an-dàlana . Tsarovy  fa efa naniraka  an’i Jesoa Kristy  hanokatra  ny làlana handovanao  ny fanjakany  Andriamanitra  . Matokia Azy .

2-Miteny  mandrakariva

Mialoha làlana  ilay anjely  irak’ Andriamanitra . Miteny  manome toromarika mandrakariva ho an’ny Zanak’Israely Izy  mba ho lavorary   ny  dia  ho any amin’ ny tany Kanana . Tsy maintsy   mihaino  sy mankato  ny teny ambarany  ny olona . Ny fandavana  ny teny  ataony  dia   toy ny fandavana an’ Andriamanitra. Miteny aminao  isanandro Andriamanitra . Tiany  handova  ny fanjakany  ianao . Meteza hankato izay lazainy aminao .

3-Miady  ho an’ny olony

Rehefa mihaino  ka mankato  izay lazain’ Andriamanitra amin’ ’ilay anjely ny olona  dia hiaro  sy hiady ho azy ireo   amin’ny hetraketraky ny fahavalo  mandrakariva ilay anjely . Fanomezan-toky izany   fa  tsy  miady  irery   ny  olony   fa eo Andriamanitra  miady  ka mampandresy . Tsarovy tsy irery ianao  eo am-piatrehana  ny fiainana . Na  dia misy  aza ny fahavalo   manakana  ny dianao  , ankatoavy  ny  Tenin’ Andriamanitra  dia ho mpandresy ianao .

Fanontaniana :

Inona  no fitaovana  mahomby  omen’ Andriamanitra  anao  mba handresena  ny asan’ny ratsy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM