Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Josoa 3.9-17
9 Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa at?, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo. 10 Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita: 11 Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana; 12 koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena; 13 ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra. 14 Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona, 15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano), 16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra ter? lavitra er?, dia ter? amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay*, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. [*Heb. Arabà] 17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Josoa 3.9-17
Entin’ny Tompo handova ny tany isika
1-Araho ny toromarika
Nodimbiasan’i Josoa i Mosesy ,ary mitovy tanteraka ny fombàn’ Andriamanitra an’i Mosesy sy i Josoa (and7) . Famantarana lehibe no nomen’ny Tompo an’i Josoa , ka nahafahany nanome toro-làlana ny olona . Toro-lalàna avy amin’ny Tompo , araka ny teny eto hoe: » Mankanesa aty ka mihainoa ny Tenin’i Jehovah Andriamanitrareo » . Tsy misy angatahina amin’ny olona afa-tsy ny mihaino sy mankato. Tsy afaka handroso handova ny tany ny vahoaka raha tsy mankato aloha. Ho ao an-tsain’ireto taranaka ireto ny fomban’ Andriamanitra ireo razany tany aloha fony raha niampita ny ranomasina mena . Tsy miova Andriamanitra fa eo koa ny fombàn’ Andriamanitra azy ireo rehefa tafita ny rano .
2-Ataovy ny fampiharana
Voalaza eto fa nialoha ny olona rehetra ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’ Andriamanitra . Naroboky ny mpisorona ny tongony (and14-15) dia nijanona ny rano ka afaka niampita tamin’ny tany maina ny olona . Famantarana izany fa miaraka sy miandany amin’ny vahoakany ny Tompo . Nisy izany zavatra rehetra izany noho ny Tenin’ Andriamanitra , ary noho ny fankatoavan’ny olona , ary entina manaporofo koa fa tsy miova velively Andriamanitra . Mariho tsara fa tsy misy nisalasala ny mpisorona sy ny olona eto noho ny fankatoavana ny Tenin’ Andriamanitra . Foana ny fisalasalana fa tanteraka izay rehetra nolazain’ Andriamanitra rehefa mankato ny olona .
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM