Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 13 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Lioka  10.8-12
8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo. 9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe: 11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Lioka  10.8-12

Raiso ny Filazantsara 

1-Mandray  ny Filazantsara  izay   mandray  ny mpitory 

« Izay tanàna iakaranareo  ka mandray   anareo  ny olona ... »(and8). Manatona  amin’ny isan-tanàna  ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Filazantsara  . Tazana  eto  fa ny olona  na ny tanàna  vonona  handray  ny Filazantsara  sy ny Tenin’ Andriamanitra dia mandray tsara izay iraka  mpitondra ny Tenin’ Andriamanitra  aloha. Tsy  zava-baovao  ity fahatongavan’ny teny  na ny Filazantsara  any amin’ny toeram-ponenan’ny olona ity . Tandindon’ny nahatongavan’i Jesoa  ho olona  tety  an-tany  io , mba hiara- monina  amintsika . Ny teny  dia tonga  nofo  ka niara-nonina tamintsika. Ka izay  mandray  ny  mpitory  dia mandray  an’i Jesoa , ary izay  mandray  an’i Jesoa  dia mandray an’ Andriamanitra  izay naniraka  an’i Jeso (vakio  Mat 10.40)

2-Manakaiky ny fanjakan’ Andriamanitra  ny mandray Azy

Rehefa  tonga  ny  mpitory  ka raisin’ny  olona  dia misy  fanasitranana , izay  mariky  ny fanjakan’ Andriamanitra . Efa eo  ambaravaran’ny fanjakan’ Andriamanitra izay  mandray  ny teny  sy ny Filazantsara  . Rehefa  eo am-baravarana isika , dia miandry ny feo  mampandroso  sisa dia tafiditra « midira amin’ny fifalian’ny Tomponao ». Ny  fiampangana  sy ny fanamelohana ambara eto  ho an’izay tsy  mandray  dia  tsy fampitahorana  , fa fitaomana  antsika  tsy hizotra  mankamin’izany . Koa raiso  ny Filazantsara   ary raiso  ny mpitory  Filazantsara dia handray  an’i Jesoa   ianao.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM