Mihainoa ny Tenin’ny  Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny  Tompo

Levitikosy 26.3-8
3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, 4 dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. 5 Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo. 6 Any homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. 7 Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy. 8 Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.

Mihainoa ny Tenin’ny  Tompo

Levitikosy 26.3-8

Mitondra fitahiana  ny fanarahana ny lalàna 

Mandrakariva  dia ny didy folo  ihany no heverin’ny  maro  ho làlan’ Andriamanitra . Ny  boky dimy  voalohany ao amin’ny Baiboly no lazaina hoe:  bokin’ny lalàna . Rehefa nivoatra  ny hevitry ny teny  dia niantsoana ny Soratra masina  amin ‘ny ankapobeny   ny lalàna . Noho izany   , ny and 3 eto  dia itaoman’ Andriamanitra  antsika  hahay  hisafidy  fitahiana . Rehefa  manaraka ny lalàna  , dia hilatsaka   aminn’y tany  ny ranonorana  , ho be ny vokatra  , ho  zina  ny taona sns… (and 5). Teny  entina  milaza  fitahiana izany  ao amin’ny Baiboly . Mitahy   antsika ny Tompo  rehefa  mankato  isika . Tsy  fitahiana ho an’ny olona iray izany  , fa tena  fitahiana ho an’ny firenena.

Voalaza eto koa ny fiadanana : »ary homeko  fiadanana  eo  amin’ny tany ianareo » (and6). Ny fiadanana  dia teny   tokana  enti-milaza fandriampahalemana , fiainana , fahasalamana , fahafahampo  amin’ny soa  sy ny  tsara . Omena  hisitrahan’ny  mponina  eo  amin’ny tany   izany  rehefa  mihaino  sy mankato  ny olona. Tsy  fiadanana  hiainantsika  any  amin’ny fiainan-ko avy  no ampanantenaina  antsika rehefa mankato , fa eto  amin’ny tanintsika  dieny  ankehitriny  . Koa  ankatoavy sy araho  eo amin’ny fiainantsika  ny teny . Tsy ampy velively  ny fandrenesana fotsiny  , fa hoy ny Soratra masina : « Aoka  ho mpanakato  ny teny  ianareo  fa tsy ho mpihaino  fotsiny ihany   » . Ankatoavy  ny teny raha tiantsika hiadana isika eto amin’ny firenentsika .

Fanontaniana:

Moa  hainao  hazavaina 

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM