Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Lioka 8.4-15
4 Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy: 5 Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina. 6 Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando. 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy. 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. 9 Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany. 10 Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena] 11 Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. 13 Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy. 14 Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. 15 Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Lioka 8.4-15
Mahaiza mihaino mba hamonjena anao 
Mampieritreritra ny filazana ny voa nafafy any amin’ny toerana samihafa tsy tokony hamafazana akory , araka ny voalazan’ny fanoharana . Ny famafazana voa ho an’ny mpamboly dia tokony ho olona efa voaomana . Ny mpamafy koa tokony ho olona efa mahafantatra ny hataony . Mazava kosa anefa ny hafatra tiana hampitaina amin’izao fanoharana izao , satria ny mpamafy dia olona tsy mifidy tany hamafazana . Tena mahalasa