Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Kolosiana 3.16-17
16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra. 17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Kolosiana 3.16-17
Ny Tenin’ Andriamanitra ao anaty 
Raha miteny i Paoly eto hoe: « aoka ny Tenin’ Andriamanitra hitoetra betsaka ao aminareo« . Izany hoe: tokony ho fanananareo ary honina ao anatinareo ny Tenin’ Andriamanitra ,ary ampiasaina amin’izay mahasoa anareo. Tsy manome didy na iza na iza izy amin’izany satria tsy misy mihitsy eto ny hoe:tsy maintsy mameno ny ao anatinareo amin’ny Tenin’ Andriamanitra ianareo . Na izany aza , tsy mamela amin’izao koa anefa izy ka manao hoe: tsy mampaninona na dia tsy misy Tenin’ Andriamanitra aza ao aminareo . Misy fandresen-dahatra mafonja mihitsy ny Teniny . « Aoka ny Tenin’ Andriamanitra hitoetra betsaka aminareo« . Fomba fiaina mahamendrika ny kristiana ny mihetsika sy miasa ary miteny araka ny Tenin’ Andriamanitra.
Ny Tenin’ Andriamanitra mitoetra ao anatin’ny mpino dia tsy mamela ny azy hifampijery maso na hifampitazana fotsiny , na amin’ny soa na amin’ny ratsy . Raha misy fahadisoana na fihoaram-pefy dia mitarika ny olona hifananatra sy hifampianatra ny Tenin’ Andriamanitra . Raha misy zava-mahafaly dia mitarika ny olona hidera ny Tompo izy .
Ny fitoeran’ny Tenin’ Andriamanitra ao anaty no ananan’ny mpino fahononantena , ka hahalalany ny tokony hatao sy ny tokony hofadiana , sady mahatonga ny olona tsy hihevi-tena ho zavatra fa hahay hanetry tena kosa ary hiantehitra sy hatoky an’ Andriamanitra . Izay itoeran’ny Tenin’ Andriamanitra no itoeran’ny Fanahy ary izay itoeran’ny Fanahy ary izay itoeran’ny Fanahy no misy ny Tenin’ Andriamanitra . Raha mitoetra ao amintsika ny Tenin’ Andriamanitra dia monina ao i Jesoa satria Izy no Tenin’ Andriamanitra tonga nofo .
Fanontaniana:
Inona no zavatra betsaka tian’ny olona ananana?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM