Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Jaona 10.22-30
22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. 23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona. 24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. 26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. 27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, 28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. 29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray. 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Jaona 10.22-30

Izay te- hahafantatra  an’i Jesoa Kristy

1-Taomina hino  ny Teniny 

Misy faniriana mafy te-hahafantatra marina an’i Jesoa Kristy  eto.Tokony  ho fantatry ny Jiosy  ny momba izany  Mesia  na Kristy izany . Voalaza fa tsy  vao izao  ihany  akory   no nanontany  izany ireto  Jiosy ireto  ary tsy vao izao koa i Jesoa no namaly izany  nefa  mbola  misisika  manontany  hatrany  izy ireo . Raha  ny zava-bitan’i Jesoa mantsy  no jerena dia te-hanaiky Azy ho Kristy izy ireo , saingy ny fahalalany an’i Jesoa  ho zanak’i Josefa sy Maria Azy  no mibahana  ao am-pony . Raha  vao  manana  fiheverana manokana  an’i Jesoa isika , fa tsy  mifototra  amin’ny fanambaran’ny Soratra masina dia tsy hahalala marina an’i Jesoa  ho Kristy  . Fahalalana  ivelany  no mety  hananantsika  . Koa esory  ny fiheverana  sy fahalalana  an’i Jesoa  araka ny fijerin’olombelona , raha  te-hahalala marina an’i Jesoa  ho Kristy  isika .

2-Ilazany   ny fiombonany amin’ny Ray

Ambaran’i Jesoa Kristy koa fa iray  ihany  Izy  sy ny Ray  (and30). Tsy zakan’ny Jiosy  velively  anefa izany  , ka  nahatonga   azy ireo hankahala an’i Jesoa . Io   maha-iray  an’i Jesoa  sy ny Ray  io no maha-  Andriamanitra  Azy  , ary izany   no mampiavaka   ny finoana kristiana  amin’ny fivavahana  hafa.Fototra iorenan’ny finoana kristiana  ny finoana an’i Jesoa  ho Tompo sy Mpamonjy , araka  ny fanekena  nataontsika fony noraisina ho Mpandray  , dia milaza  fa Andriamanitra  Izy  amintsika . Koa esory  ny fisalasalana  , aoka  tsy ho tahaka  ireto Jiosy  ireto ny kristiana mitondra ny Anaran’i Kristy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM