Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Jeremia 11.1-5
1 [Ny nivadihan'ny Isiraely tamin'ny fanekena nataon'i Jehovah taminy, sy ny nanao azy noho izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: 2 Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema, 3 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao, 4 Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo, 5 Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie*, Jehovah ô![Heb. Amena]

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Jeremia 11.1-5

Izay  tsy manaiky  ny Tenin’ Andriamanitra 

1-Ho  voaozona  

Rehefa niantso  an’i  Abrahama Andriamanitra  dia nanao  fanekena taminy (Gen  17.7-14) ary  nitohy   tamin’ny taranany  rehetra  izany fanekena izany  ka nipaka  hatramin’i Jesoa Kristy  ilay fanekena  vaovao . Raha   fintinina  ny fanekena  nataon’ny Tompo,  dia izao:  Izy  Tompo   ho Andriamanitry   ny olona  hanaovany fanekena , ary  ireo  hanaovany  fanekena kosa ho vahoakany . Hitahy  ny olona  sy hiaro  ary hanao  izay hahatomombana  ny fiainan’ny olona amin’ny lafiny rehetra  Andriamanitra , fa ny olona  kosa  dia hanompo  Azy , hivavaka  Aminy , tsy  hanana Andriamanitra afa-tsy Izy . Efa  natao àry  ny fanekena  ka ny olona izay   mivadi-panekena  no atao   hoe: ho  voaozona eto . Mila  mitandrina  isika  ka ny fanekena  ny Tenin’ Andriamanitra  no hahatonga  antsika  ho  ao anatin’izany  .

2-Tsy handova  ny tany Kanana 

Ny fankatoavana  an’ Andriamanitra  sy fanarahana  ny Teniny   no anisan’ny voizin’ny Soratra masina fa antoka hisitrahana   ny tany nomena  ny vahoakan’ Andriamanitra . Azo hamarinina  ao anatin’ny tantaram-pirenen’Israely izany  , fa raha  vao te-hivadika  amin’ny fanekena ny Israely , na tsy mankato   dia tonga  ny fahavalo  te-handroaka  azy   eo amin’ny tany  Kanana . Izay  mankato  no hisitraka  ny tany  sy handova   ny tany  (Jer 11.5). Marina  ara-bakiteny  izany  amin’ny fanomezana antsika ny tanindrazantsika , kanefa tsarovy  fa tsy hisitraka  ny Kanana vaovao  nomanin’i Jesoa ho antsika  isika  raha  tsy manana  ny fanahin’ny fankatoavana . Ny  fepetra   handovana  « ny tany  »  dia tsotra ihany  : mankato  ny Tenin’ Andriamanitra  sy mitoetra amin’ny fanekena .

Fanontaniana:

Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM