Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
1 Tesaloniana 2.13-16
13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa. 14 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy, 15 izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra, 16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
1 Tesaloniana 2.13-16
Ny Tenin’ Andriamanitra torina 
1-Aza raisina ho tenin’olona fotsiny
« Rehefa nandray ny Tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin’olona … ». Noho ny asan’ny Fanahy masina dia tonga Andriamanitra miteny ny olona mitoriteny . Nahoana moa isika FJKM no nanao fandaminana , ka ny mpitoriteny dia tsy maintsy mandalo ao amin’ny sekoly manomana ho mpitoriteny aloha na miomana ho mpitandrina? Tsy ny fandaharan-teny rehetra na izay manonona teny avy amin’ny Soratra masina dia mitoriteny . Tsy izay mahay mandahan-teny na irony antsoina amin’ny teny hafahafa hoe: « malama vava » dia ekena hitoriteny avokoa . Ny toriteny na dia teny ambaran’ny olona aza dia Tenin’ Andriamanitra mitondra finoana , tsy maintsy miainga amin’ny Soratra masina ary manazava Soratra masina . Koa raha tsy mitandrina isika dia mety hivaona izany , ary hitera-doza ho an’ny fiangonana . Tokony hotsaroana àry fa tsy kabary tsara lahatra maha-te-hihaino fotsiny ny toriteny .
2-Tenin’ Andriamanitra mampiorina ny finoan’ny olona
Hoy i Paoly Apostoly ao amin’ny Rom 10.17: « Ny finoana dia avy amin’ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy » . Koa ny teny torina na ny Tenin’ Andriamanitra henoina dia tsy zavatra mandalo fotsiny amin’ny olona fa misy akony ao aminy, miteraka finoana , faharesen-dahatra , fahavononana hanao asa ho fanompoana ny Tompo amin’ny nahim-po . Ankoatra izany dia tsy tokony hohadinoana fa mahery sy mahitsy ary mavesatra tokoa ny Tenin’ Andriamanitta fa tsy tonga hanafosafo ny olona fotsiny akory (jereo Jer 23.29 / Heb 4.12).
Fanontaniana:
BiraoSekoly Alahady FOIBE FJKM