Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 06 Febroary 2018

Mihainoa ny  Tenin'ny  Tompo 

Isaia 51.4-8
4 Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. 5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany. 6 Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka*; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka] 7 Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany. 8 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.

Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo 

Isaia 51.4-8

Ny lalàn’ Andriamanitra 

Ny lalàna ao  amin’ny Testamenta taloha  dia tsy enti-milaza didy aman-dalàna, fa ny sitrapon’  Andriamanitra  . Raha   ny  momba   ny lalàna   voasoratra  aza dia enti-milaza  ny  Soratra masina  amin’ny ankapobeny  izany  , ka niteraka  ny hoe:lalàn’i Mosesy , izay  ny  fizarana  voalohany  ao  amin’ny Testamenta  taloha. Koa andeha  hotsorina  hoe: ny lalàn’ Andriamanitra  dia ny Tenin’ Andriamanitra  sy ny sitrapony  .

Natao hamonjena  ny olony  ny lalàna  . Raha  ny  fihevitry   ny olona ny lalàna  amin’ny ankapobeny  dia natao  hangejana sy  hamoretana  fotsiny  , na  dia mety  hisy   aza izay   mihevitra  azy  ho  ambonin’ny lalàna . Raha  misy  olona  voaheloka  , na tena  nanao ilay heloka  voalaza  izy na tsia , satria  mety  hisy  olona  voaendrikendrika  fotsiny, rehefa   avoakan’ny mpanao  lalàna  ny valim-pitsarana dia voaheloka  ilay  olona . Hafa   noho izany  fiheverana  izany   no aroson’ny Tompo eto , satria  natao  hamonjena  ny olona  indrindra  ny lalàna . Izao  no voalaza : »Hisy  lalàna hivoaka  avy Amiko  ary ny fitsipiko  dia hampitoeriko  ho fanazavana  ny firenena , akaiky  ny fahamarinako , efa nivoaka  ny  famonjeko« . Tsy  mpamaly ny olona  araka ny nataony  ihany Andriamanitra , fa Tompo  manomana  famonjena  ho an’ny olony  Izy , amin’ny alalan’ny lalàna  hitondrany  ny vahoaka . Mavesa-danja ary mitondra fiainana  ny Tenin’ Andriamanitra  , na ny lalàna  fa tsy mangeja . Mpitaiza  antsika  ho amin’i Kristy  aza ny lalàna (Gal 3.24) . Koa ampitoero  ao am-pontsika  i Jesoa Kristy  , satria  Izy  no faran’ny lalàna (Rom 10.4) .Koa  ampitoero  ao am-pontsika i Jesoa Kristy  , satria  Izy no faran’ny lalàna (Rom 10.4) . Aza  atao  fahazarana  fotsiny  ny fivavahana Aminy  fa fiainana  ho anao izany  .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM