Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Jaona 12.44-50
44 Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. 45 Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. 46 Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. 48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. 50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Jaona 12.44-50
Ny olona miaina ao anaty fahazavana 
1-Mino an’ Andriamanitra
Miroborobo ny fiangonana samihafa. Maro amin’izy ireny no mitompo teny fantatra fa tena manana ny fahamarinana sy manana an’Andriamanitra ary atobak’ Andriamanitra aminy sy ho an’izay manaraka azy ny fiadanana sy ny vola aman-karena. Amin’ny teny hafa dia hoe : mihevi-tena ho hany mahafantatra « ny tena fahazavana » izy ireny. Vokatr’izany dia roboka ny olona . Tokony hataontsika an-tsaina anefa fa ny Tenin’Andriamanitra dia tena làlana hananan’ny olona sy hahafahan’ny olona miaina izany fahazavana izany. Io Tenin’Andriamanitra io no mitondra mazava ary isika protestanta dia manome toerana lehibe ny Tenin’Andriamanitra. Hoy I Jesoa : »izay mino Ahy dia hahita ny Ray ary hiaina ao anaty fahazavana satria ny Ray no fahazavana » (jereo 1 Jao 1.5). Koa minoa ny Tompo, fa izay mino Azy dia handray ny teniny hitondra mazava ho amin’ny fiainany .
2-Mitandrina ny Tenin’ny Tompo
Voalaza eto ny hoe: raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina dia ho voatsara. Fantatry ny olona izany tontolon’ny fitsarana izany. Eto dia habaribary amintsika izany fitsarana izany mba hiheverana ny atao amin’ny maha-kristianina antsika. Raha misy olona tokony hisitraka ny fahafahana sy fahazavana omanin’ny Tompo ho an’ny mpanara-dia Azy dia isika kristianina. Tsy tokony hisalasala ny amin’izany isika, kanefa tsy mandeha ho azy izany, satria tsy rehefa manana anarana kristianina dia hanana fahazavana sy fahafahana amin’izao. Tsia, fa ireo izay mankato sy mitandrina ny Tenin’Andriamanitra ihany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM