Manapaka  amin’ny  fahefany  ny  Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Janoary 2018

Manapaka  amin'ny  fahefany  ny  Tompo 

Isaia 47.1-5
1 [Ny handravana an'i Babylona] Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao. 2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony. 3 Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona*.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona] 4 Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely. 5 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.

Manapaka  amin’ny  fahefany  ny  Tompo 

Isaia 47.1-5

Andriamanitra  no Tompon’ny  fahefana rehetra 

1-Afaka  manaisotra  ny  fahefan’olombelona Izy 

Nanao  tsinotsinona  an’i Jehovah  Andriamanitr’Israely i Babylona  tamin’ny nadravany  tempoly tao Jerosalema  . Noheveriny  fa ny faharavan’i Jerosalema   sy ny fahababoan’ny vahoakan’Israely dia fahafoanan’ny fahefan’i Jehovah  sy ny heriny . Nitokiany  fatratra  ireo  sampiny  . Ambaran’ny mpaminany  ny handravana ny fahefany  sy  ny hampitanjahana  azy  amin-kenatra  lehibe (and3.5). Fahefana  avy  amin’ Andriamanitra  samirery  ny  mametraka sy manaisotra  ny olona amin’ny toeran’ny mpitondra sy mpanapaka . Fampitandremana ho an’izay rehetra mihevitra  azy  ho manam-pahefana  izany  mba hanaovany  tsara   ny asany  amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra.

2-Izy  no manafaka  ny vahoakany 

Jehovah no mpanavotra ny olony . Mampahatezitra  an’i Jehovah ny fampijaliana atao  amin’ny vahoakany , ary  izao  dia hanao  valifaty  tokoa Izy  . « Hitondra famaliana  Aho  ka  tsy hiantra olona  » (and3 d). Tsy  mahafoy  ny  olony   izay  mitaraina  sy  miverina  Aminy  Izy  ka mamonjy  azy amin’ny tànan’ny  fahavalo . Tsy  sitrak’ Andriamanitra ny  fanompoan-tsampy  . Hofaiziny  sy hesoriny  amin’ny fahefany  izay  mirehareha  sy  mihevitra  Azy  ho  tsy  misy   ka mampijaly  ny vahoaka  voafidiny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM