Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo 

Levitikosy 14.1-9
1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy; 3 dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka, 4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina; 5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha; 6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha. 7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona. 8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana. 9 Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Levitikosy 14.1-9

Mihevitra  manokana  ny marary ny Tompo 

Teo  amin’Israely dia ninoan’ny ankamaroan’ny olona  fa endrika isehoan’ny famaizan’ Andriamanitra  ny aretina  . Isan’izany ny habokana . Noheverina ho maloto ara- pivavahana  ny olona voan’izany  ka natokana  sy tsy navela hifangaro  amin’ny vahoaka . Mampalahelo  fa voahilikilika sy natoka-monina ireny olona  ireny  . Mihevitra  manokana  azy ireny  ny Tompo  ka manome andraikitra :

1-  Ny  andraikitry  ny  mpisorona (and2-7)

Na dia  tsy  dokotera aza ny  mpisorona dia manana andraikitra  amin’ny marary  mba hizaha sy hamantatra  ny  karazana aretina  misy  sy ny fivoarany . Ankinin’ny  Tompo  amintsika fiangonana ny  fijerena manokana  ireny  marary  izay  tsy mba afaka mamonjy  fotoambavaka ireny  noho ny toetr’ aretiny . Ilaina izany  mba  hiarovana  ny   fiparitahan’ny aretina  amin’ny manodidina . Tsarovy  fa  nitondra ny aretintsika  tokoa  Izy . (Isa 53.4) .

2-Ny andraikitry ny marary (and8,9)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM