Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Isaia 45.1-5
1 Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: 2 Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; 3 Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely. 4 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. 5 Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Isaia 45.1-5

1-Izy  no manome  fahefana  ny olona izay  antsoiny 

Kyrosy dia mpanjaka jentilisa izay  voalaza  fa tsy  mahalala  an’i Jehovah  akory , nefa  dia nofidin’ Andriamanitra  sy nirahiny  . Mampiseho  amintsika  izany  fa   tsy  miankina  amin’izay  mety  ho fahalalan’ny olona na  ny fankatoavan’ny  olona an’ Andriamanitra ny fiantsoana . « Ary nomeko  izany  laza izany  ianao  na dia tsy nahafantatra  Ahy aza » (and4b). Fahefana avy Aminy ny mifidy  sy manendry olona ho amin’ny andraikitra iray  sy mampahomby  azy  amin’izay rehetra ataony . Amin’izany dia Izy mihitsy  no mialoha làlana amin’ny fanatanterahana ny iraka ampanaoviny , »tohanako ianao mba handresy firenen-kafa… Izaho mihitsy  no  handeha   anoloanao  » (and1.2a)DIEM .

2-Izy  no manafaka ny olony 

Misy antony sy dikany  avokoa  izay  rehetra ataon’ny Tompo . Nomeny  fahefana  i Kyrosy mpanjakan’i Persia ka  tonga mpandresy . Io  fandreseny  io  no miantoka  ny fanafahana ny vahoakan’Israely . « Noho  ny fitiavako  ny firenen’i Jakoba mpanompoko  sy ny vahoaka Israely voafidiko  no niantsoako anao  tamin’ny anaranao…« (and4-DIEM) . Eo  am-pelatànan’ny Tompontsika avokoa  ny fahefana rehetra . Tsy  misy  mahasakana  izay tiany  hatao  ho fanafahany  sy fanavotany antsika .

Fanontaniana:

Nahoana no omen’ ny  Tompo  fahefana  ny  mpitondra ratsy  fanahy?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Manapaka amin’ny fahefany  ny  Tompo

Zoma, 26 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany  ny  Tompo Lioka 10.17-20 Faly ery ireo  mpianatry ny  Tompo  hanao  tatitra…

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alakamisy, 25 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Deoteronomia 29.1-8 Miara-dàlana  amintsika  mandrakariva  ny  Tompo  Mosesy  dia toy…