Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Lioka 10.17-20
17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao. 18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. 19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Lioka 10.17-20
Faly ery ireo mpianatry ny Tompo hanao tatitra fa mba nahavita ny iraka nampanaovina azy . Nambaran’ireo tamin’izany fa na dia ny demonia aza dia nanaiky azy ireo noho ny Anaran’i Jesoa . Antoky ny fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ny fandraisana fahefana avy Aminy .
1-Fahefana handresy ny herin’ny fahavalo
Efa nampanantena ny Tompo fa izay nandray fahefana avy Aminy dia ho voaaro , ka tsy hanan-kery aminy ny ratsy . Tsy tokony hatahotra na hihemotra ny fiangonana manoloana ny ady amin’ny tsy fahamarinana sy ny faharatsiana , na inona na inona mety ho fandrahonana sy fampitahorana , fa hoy ny Tompo : »Indro , efa nomeko fahefana …handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo … Koa sahia mijoro ho vavolombelony » Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika…(2 Tim 2.7).
2-Fahefana hampiditra antsika any an-danitra (and20)
Izay tokony hahafaly indrindra ny mpianatra , dia tsy ny hanana fahefana sy hahavita fahagagana fotsiny ihany , fa ny hahatonga azy ireo ho ao amin’ny Tompo , ho fananan’ny Tompo voasoratra any an- danitra . Ny tena fahafahampo sy fifaliana ho antsika dia tsy ny hanana fahefana sy hahavita fahagagana ihany akory , fa indrindra indrindra ny hahazoantsika antoka fa voavela heloka ka ho tonga tena Zanak’ Andriamanitra .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM