Mihainoa ny Tenin’ ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin' ny Tompo
Jeremia 2.4-13
4 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely! 5 Izao no lazain'i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy? 6 Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona? 7 Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako. 8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra* koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry] 9 Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa. 10 Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia: 11 Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny. 12 Talanjona amin'izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah; 13 Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.Mihainoa ny Tenin’ ny Tompo
Jeremia 2.4-13
Ny olona tsy mihaino an’ Andriamanitra 
1-Manadino ny famonjen’ Andriamanitra
Ahariharin’i Jeremia eto ny toetra nananan’ny Zanak’Israely . Ilay firenena nanehoan’ Andriamanitra fitiavana manokana , nokarakarainy fatratra kanjo niova tanteraka. Niodina nandà Ilay Andriamanitra efa naneho famonjena raha nanafaka azy ireo tany amin’ny tany Kanana , tany nahitany ny tena fiainana . Tsy nihaino an’Andriamanitra izy ireo fa ny fanompoan-tsampy no nomeny toerana . Rehefa tsy manokana fotoana hihainoana ny Tenin’ Andriamanitra ny olona dia latsaka amin’ny fandrik’i satana.
2-Tsy mahita fitahiana
Ny sokajin’olona rehetra teo amin’Israely no nivadika tamin’ Andriamanitra . Isan’izany ireo tomponandraikitra ara-pivavahana izay tokony hitaiza sy hitarika ny vahoaka amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra . Nandao tanteraka an’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely. Niaina tamin’ny faharatsiana lalina tokoa. Vokatry ny fanadinoana an’ Andriamanitra dia rava ny fiainany . Tsy misy fiainam-pitahiana ho azy ireo intsony : »efa nahafoy Ahy , loharanon’ aina izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany , nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano « (and13). Na toy inona na toy inona ezaka itondran’ny olona ny fiainany, rehefa tsy miaraka amin’ Andriamanitra dia tsy mahita fitahiana izy .
Fanontaniana:
Nahoana no manadino an’ Andriamanitra ny olona rehefa milamina ny fiainany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM