Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny  Tompo 

Deoteronomia 29.1-8
1 Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, 2 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. 3 Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. 4 Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao. 5 Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 6 Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy. 7 Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 8 Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo.

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Deoteronomia 29.1-8

Miara-dàlana  amintsika  mandrakariva  ny  Tompo 

Mosesy  dia toy ny ny fitaovana  ihany  teo  am-pelatànan’ny  Tompo mba hanehoany  ny fiarahany   sy ny fitarihany   ny zanak’Israely   amin’ny fahafenany  sy ny fanapahany  . Amin’izao  dia efa   manakaiky   ny  fotoana hidirana  amin’ny tany  nampanantenaina . Noho izany :

1-Tsarovy  izay nataony  ho antsika  tamin’ny lasa 

Ampahatsiahivin’i Mosesy  izay efa  nataon’ny Tompo , manomboka  amin’ny tantaran’ny nanafahana  ny Zanak’ Israely tamin’ny fanandevozan’i Farao  (and1), ny làlan-tsarotra  sy ny fisedrana nolalovana tany anefitra (and 4,5) , ny ady nifanandrinana amin’ireo  firenen-kafa  (and6,7)… Ireny  rehetra  ireny  no mampiseho   fa niara-dàlana  tamin’ny vahoakany hatrany ny  Tompo . Matetika isika  no tsy  mahatadidy  izay efa  nataon’ny  Tompo  tamintsika . Tsarovy  àry  fa tia antsika Andriamanitra ka namonjy  sy nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana tamin’ny alalan’ny hazo  fijalian’i Kristy . Ilaina ny mamerina  sy mampahatsiahy izany  mba hahatsapana  ny fanatrehan’ny Tompo .

2-Miomana  hiatrika ny ho avy 

Ny tantara dia mampiseho fa miankina betsaka amin’ny fankatoavana  na tsia  ny sitrapon’ Andriamanitra ny fitahiana sy ny fanambinana ho an’ny olony . Vonona hanome  fitahiana sy fanambinana ary hiantoka  feno  ny ho avintsika  ny Tompo . Fa izay takiany  kosa dia ny hanatanterahantsika ny fanekeny  . « Dia  tandremo  ny tenin’izao fanekena izao  , ka araho  , mba hambinina hianareo  amin’izay  rehetra  ataonareo » (Deo 29.8)

Fanontaniana:

Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM