Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo 

Salamo 145.8-14
8 Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. 9 Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra. 10 Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao. 11 Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao, 12 Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao* Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao**. [*Heb. heriny][**Heb. fanjakany] 13 Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao. 14 Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Salamo 145.8-14

Mendrika  hoderaina  ny Tompo  satria :

1-Mamindra fo sy miantra  Izy (and8)

Ny hoe: mamindra fo dia azo adika hoe:  tsy  mampihatra   ny  sazy  sy ny fanamelohana  ho an’izay tokony  ho niharan’izany . Raha ny fahotantsika , dia tokony helohina  ho faty  eo anatrehan’ny fitsaran’ Andriamanitra  isika , saingy  mbola miantra  sy mamindra fo  amintsika Izy  ka namela ny fahadisoantsika . Ny  fahafatesan’i Kristy dia fahatanterahan’ izany  ho antsika .

2-Manisy  soa  izao rehetra  izao Izy (and9)

3-Mpanjaka be voninahitra Izy  (and11-13)

Miseho  eny  amin’ny zava-boahariny  ny toetra  maha- Andriamanitra Azy : ny voninahiny  sy ny fanjakany, ny heriny  sy ny fahefany (and11) …Raha  izay lazaina  ho manam-pahefana  sy mpanapaka  eto  amin’izao tontolo izao  aza omentsika  voninahitra  sy haja , dia aoka  mba tsy ho latsa-danja  noho izany  ny fiderantsika ny Tompo  . Izy  no Mpanjaka mandrakizay  sady Tompon’ny fahefana rehetra .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM