Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
2 Mpanjaka 19.14-19
14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah. 15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona. 17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny 18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana. 19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
2 Mpanjaka 19.14-19
Andriamanitry ny fanjakana rehetra ny Tompo 
Ny tantara ao amin’ny Soratra masina dia mampiseho miharihary fa ny mpitondra izay nanankina ny asany sy ny fahatokiany tamin’ Andriamanitra ihany no tena nahita fahombiazana amin’izay rehetra nataony . Iray tamin’ireny ny mpanjaka Hezekia : ny vavaka izay nataony dia fampianarana tsara ho antsika :
1-Manetre tena eo anatrehany
Niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah izy ka namelatra ny taratasy teo anatrehany sady nivavaka (and14). Na dia mpanjaka sy manam-pahefana aza i Hezekia dia nanetry tena ka nivavaka hoe: « Hianao dia hianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany »(and15,19). Aoka mba ho toy izany avokoa izay rehetra omen’ Andriamanitra fitondrana sy fanapahana ka hahatsiaro fa Andriamanitra no Tompon’ny hery sy faefana rehetra . Izy no nanao ny lanitra sy ny tany . Izy irery no Andriamanitra fa ny andriamanitryb ny jentilisa dia tsinotsinona .
2-Ankino Aminy ny ady rehetra
Sady mihantsy ady ny miaramilan’i Sankeriba no mampihorohoro fatratra . Nankininy tanteraka amin’ny Tompo izany ady izay hatrehany izany , ary tsy misy nafeniny teo anatrehany tamin’ny alalan’ny fitarainany am-bavaka. Amin’ny hasarotam-piainana sy ny ady hatrehina amin’izao fiainana izao dia mametraka izany ho eo am-pelatànan’ny Tompo no tsara indrindra . Jesoa no efa nitondra ny ady sarotra rehetra izay tokony ho nentintsika . Aoka Izy no hiady …fa hianao kosa hangina (Eks 14.14).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM