Manapaka amain’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Janoary 2018
Manapaka amain'ny fahefany ny Tompo
Amosa 5.21-27
21 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina. 22 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory. 23 Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo*, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo* Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao] 24 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra. 25 Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely? 26 Tsia, fa ny nitondra* ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo**, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [*Na: Dia ho entinareo][**Na: Tsia fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo] 27 Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.Manapaka amain’ny fahefany ny Tompo
Amosa 5.21-27
Manaova fanompoampivavahana ankasitrahana 
Teto dia tena nandroso ny fari-piainan’ny Israely, mandroso ny lafiny ara-toe-karena , miraondraona ery ny hira sy feon-dokanga raha mivavaka , eo koa ny fanaovana sorona sy fanatitra . Tsy nankasitrahan’ny Tompo anefa izany . Ny lesona dia izao :
1-Aza mihatsaravelatsihy eo anatrehan’ny Tompo
« Halako , maharikoriko Ahy…ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo » (and21). Nahoana? Satria mifanohitra amin’izay hita taratra ety ivelany ny fiainana ara-panahy , nivangongo teo anatrehan’ny olombitsy ny harena,nanjaka ny kolikoly sy ny tsindrihazolena , voahosihosy ny mahantra sy ny malahelo , feno fihatsarambelatsihy sy fahavetavetana ny fanompoampivavahana : ny fanompoan-tsampy tsy nafoy . Ilaina ny fanaovana fivahiniana masina , ny mamonjy fotoam-pivavahana rehetra , ny manao rakitra be dia be , voady …kanefa aoka tsy ho amin’ny fihatsarambelatsihy no hanaovana izany . Mandiniha tena aloha !
2-Manaova ny marina sy ny rariny
« Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano , ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra « (and 24) .Tokony ho hita taratra amin’ny fiainana hanasoa ny mpiara-belona amintsika isika : manana adidy hanasoa ny mpiara-belona amintsika isika ka ho sahy hiady ho fampanjakana ny rariny sy ny fahamarinana . Izany no tsara sady ankasitrahana eo imason’ny Tompo .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM