Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 21 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Joda 1,24 - 25
24 Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, 25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 
Joda 24.25
Ny Epistily nosoratan’i Joda dia nokendrena indrindra mba hahaizan’ireo kristiana hijoro ho mahatoky amin’ny finoana izay tànanay ary koa hanoherana ireo mpampianatra ratsy izay mitaona ny olona handà ny Tompo . Izao no hafatra amaranany izany :
1-Andriamanitra tokana Izy
Tokana Andriamanitra (and25) . Izay nahary izao rehetra izao ary koa nanambara ny tenany tao amin’i Jesoa Kristy . Izy no Ilay taloha sy ankehitriny ary mandrakizay . Lazaina eto izany ho fisorohana ny fampianaran-diso milaza fa misy karazana andriamanitra maro samy hafa izay mampiroaroa saina ny mpino .
2-Miaro anareo tsy ho tafitohina Izy
Na dia mbola eto amin’izao tontolo izao aza ny olony dia tsy mamela azy ho irery ny Tompo fa eo anilany mandrakariva ary miaro ny tongony tsy ho tafitohina. Tsy ho lavo izy na dia eo aza ny fandrikaa sy ny fingampingana rehetra . Tsy hahavoa azy izany satria ny Tompo mihitsy no miandany aminy sy miaro azy amin’ny ratsy(Jao 17.15).
3-Mametraka anareo tsy hanan-tsiny Izy
Ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona arahin’ny anjely rehetra(Mat 25.31) . Amin’ izay andro izay dia Izy mihitsy no hametraka ny olony tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny . Fahefany no hanamarina ny olom-boafidiny eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra ka hampiditra azy ireo ho amin’ny fiainana mndrakizay .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM