Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Jaona 4.46-54
46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. 47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. 48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. 49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. 50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. 51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. 52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. 53 Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. 54 Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Jaona 4.46-54
Nisy tandapa iray tao Kapernaomy , nanana zanaka narary . Nandeha nankany amin’i Jesoa izy ka niangavy Azy mba hidina ho any an-tranony hahasitrana ny zanany izay efa ho faty . Toa tsy mifanaraka amin’izay nangatahany anefa ny valitenin’i Jesoa raha nilaza Izy hoe: : »Fa raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba hety hino mihitsy « (and 48) .
1-Tsy voafetran’ny elanelan-toerana ny fahefany
Ny Galiliana dia tsy mba nety nino afa-tsy izay hitan’ny masony . Ny hanala ilay tandapa amin’izay toe-tsaina izany no nokendren’i Jesoa eto raha nilaza izy hoe:« Andeha mody , velona ny zanakao » (and50). Nino ny teny izay nolazain’i Jesoa ilay lehilahy ka lasa nody . Na dia tsy nankany an-tranon’ilay tandapa aza i Jesoa dia nahasitrana ilay marary kosa. 24 Km eo no eo ny elanelana . Mampiseho amintsika izany fa tsy voafetran’ny toerana na ny elanelan-tany ny fahefan’i Jesoa .
2-Tsy voafaritry ny fahalalan’olombelona ny fahefany
Tonga nino an’i Jesoa ilay tandapa rehefa nihaona sady niresaka taminy . Ny ankohonany rehetra koa tonga nino Azy , na dia tsy nihaona taminy akory aza , fa nijanona tany Kapernaomy . Ny aretina izay noheverina ho fahafatesana no fiafarany , no indro fifaliana sy famonjena lehibe ho an’ny rehetra . Tsy takatry ny saina sy ny fahalalana amin’ny maha- olombelona izany . Koa aza mamoy fo , matokia Azy , na inona na inona mitranga fa tsy izay miseho ety ivelany no hamaritra ny fahefan’ny Tompontsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM