Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 16 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Kolosiana 2.8-15
8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy. 9 Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra; 10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, 11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy; 12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty. 13 Ary ianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; 14 ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, 15 ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany* ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [* Na: noreseny ka nobaboiny]Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Kolosiana 2.8-15
Fananarana ny fampianarana ho antsika mpino 
1-Mitandrema amin’ny fampianaran-diso (and8)
Nanoratra ity Epistily ity ny Apostoly Paoly ho fiarovana ny fiangonana amin’ny fampianaran-diso izay niely tany Kolosy , fampianarana izay nampifangaro ny fivavahana sy ny fomban-drazana . Maro no nankafy na dia hita aza fa manohitra ny finoana kristiana tsotra izao . Izay tsy mitandrina dia nety ho babo ka hiala amin’ny finoana marina . Mety hiovaova ny endrika isehoan’ny fampianaran-diso . Izany dia arakaraka ny vanim-potoana sy ny toejavatra iainan’ny olona . Fa izay kendreny kosa dia ny hampiala antsika amin’ny finoana ny Filazantsara . Aoka isika hiambina mba tsy ho babon’ny fampianarana mamitaka.
2-Kristy irery no nanavotra antsika(and10-15)
Ny famonjena omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia ampy tanteraka ho antsika ka tsy mila ampiana zavatra hafa intsony . Famorana ara-panahy no efa notanterahin’i Kristy ho an’ny mpino tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana . Ny batisa no famantarana izany , ka izay rehetra natao batisa dia efa navotana ho afaka amin’ny fahotana . Izany no fanavotan’ Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM