Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Marka 1.21-28
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Marka 1.21-28
Mpampianatra manana fahefana i Jesoa 
1-Miavaka noho ny an’ny hafa ny fampianarany
Tokony ho tamin’ny andron’i Ezra no naorina ny Synagoga, hihainoana ny fanazavana ny Soratra masina . Saika ny tanàna lehibebe misy fiankaviana mihoatra ny folo no nanorenana izany . Tsy misy mpampianatra tamin’ny Synagoga sasany , ka izay mpampianatra sendra nandalo dia niangaviana mba hampianatra ao. Nandalo tao Kapernaomy i Jesoa indray Sabata . Niavaka ny fampianarany ka talanjona ny olona , satria fampianarana misy fahefana. Ny mpanora-dalàna sasany rehefa nampianatra dia saiky mitanisa ny tenin’ireo Raby malaza fotsiny . Tenin’ Andriamanitra marina misy fahefana kosa no nohazavain’i Jesoa . Raiso ho antsika izany , ka omeo lanja ny Tenin’ Andriamanitra ao amin’ny fiangonana sy ny toriteny fa tsy ny tenin’olo-malaza na fahalalana tsara lahatra . Raiso sy ifotory ny Tenin’ Andriamanitra , dia hiseho ny fahefan’i Kristy ao amin’ny fiangonany , ary ho hitantsika fa ho talanjona izay rehetra mihaino ny fiangonana .
2-Miseho amin’ny asa ny fahefany
Fampianarana nahatalanjona ny mpihaino noho ny fahefana nananany no nataon’i Jesoa (and22) . Io hery sy fahefan’ny Teniny io dia nasehony tamin’ny asa , ka rehefa niteny mafy ny fanahy maloto Izy , dia nanaiky Azy izany ary niala tamin-dralehilahy (and25-26). Miseho amin’ny asa ny hery sy ny fahefan’ny tenin’ny Tompo , ary fahefana mandresy ny ratsy . Hain’ny Tenin’ Andriamanitra resena ihany koa ny ratsy eo amintsika rehefa mandray ary mino izany isika.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM