Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Nehemia 1.4-11
4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra 5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, 6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa. 7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao. 8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho; 9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy. 10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. 11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Nehemia 1.4-11
Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ny Tompo
1-Mihaino izay mivavaka Aminy Izy
Nalahelo mafy sy nitomany i Nehemia ka nivavaka sy nifady hanina (and4 sy and 11) , raha nandre ny fahoriana sy ny fahavoazan’ny olona nody avy tamin’ny fahababoana . Tsy mba anisan’ireo nody mantsy izy , satria mpiasa tao an-dapan’ny mpanjaka Persiana . Fantany fa Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ny Tompo , nefa na eo aza ny fahalehibiazany dia Andriamanitra mihaino koa Izy. Io fihainoan’ny Tompo io no mampiavaka Azy amin’ny andriamanitra rehetra izay ivavahan’ny olona. Andriamanitra velona ny Tompontsika , sady miteny no mihaino. Izany no tsy isalasalantsika hitaraina sy hitalaho Aminy , raha tojo zava-mampalahelo tahaka izao atrehin’i Nahemia izao . Andreha mba hitaraina amin-dranomaso noho ny firenentsika isika , fa ana dia lehibe aza ny Tompontsika dia tena mihaino Izy . Nivavaka taminy i Jesoa fony Izy tety an-tany sady nampianatra antsika hivavaka . Koa mivavaha sy mitalahoa Aminy .
2-Ampahatsiarovy ny teny nataony Izy
« Hotsarovanao anie ilay teny… »(and8). Tena ilaina hampahatsiarovina ny teny nataony ve ny Tompo ? Tsarovany mandrakizay tokoa ny fanekena sy ny teny nataony (Sal 111.5), saingy ny vavaka atao amin’ny finoana dia izay angatahina sady mifandraika amin’ny efa nolazainy sy nampanantenainy . Izany no antso nataon’i Isaia :« Ianareo mpampahatsiaro an’i Jehovah , aza mangina! » (Isa 62.6) . Ampahatsiarovy ny teny efa nataony taminao ny Tompo fa hamaly anao Izy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM