Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Janoary 2018

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo 

Apokalypsy  19.11-16
11 [Ny amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. 12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. 13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin'Andriamanitra. 14 Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. 15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. 16 Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo 

Apokalypsy  19.11-16

Mpanjaka  sy Tompo  tsy  misy toa Azy

1-Manam-piandrianana   noho ny fandreseny 

Miseho   amin’ny endrika  sy anarana  hafa i Jesoa . Mitaingina  soavaly  fotsy  no mitafy  fotsy   sy madio  . Misongadina  ny loko  fotsy  . Fiandrianana  sy fandresena  izany   amin’ny loko apokalyptika . Tsy zanakondry  malemy fanahy  , hovonoina  hisolo heloka  intsony  ny  Tompo   amin’ny fisehoany faharoa , fa ho tonga  amin’ny heriny  sy ny fiandrianany  . Sao ho tratra  aoriana  isika  izay mangataka  andro  hiovana sy hibebahana. Ho mpitsara  tsy miangatra  Izy amin’izany  : izay  mino   ka nandray   ny  fanamarinana avy  Aminy   no  hovonjena , fa izay tsy  mino  dia hirehetan’ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.

2-Mamarana  ny fahefana hafa  rehetra  ny fisehoany

Omena  anarana maro  ny  Tompo  eto: « mahatoky  sy marina « (and11b) , ny Tenin’ Andriamanitra  (and13b) , kanefa   ny lehibe indrindra  dia ny hoe: »Mpanjakan’ny mpanjaka  sy Tompon’ny Tompo » (and16). Izao tontolo izao  dia nivavaka  tamin’ny mpanjaka (Amperora) sy niankohoka  tamin’ny bibidia (Apo 13.1-4) . Izy ireo  no natahorana  sy nanam-pahefana fa rehefa  miseho  amin’ny heriny i Kristy  dua foana   sy mifarana  ny herin’ireo mpanjaka  sy tompo ireo   , satria i Jeso   no Mpanjaka  sy Tompon’ny tompo  . Ny  Fiangonana   no tena vatan’i Kristy  . Asehoy  ny herin’i Kristy   ao amintsika  Fiangonana  dia hifarana   ny hery  sy fahefana mampahory  sy mamitaka ny firenena . Raha  tsy miseho  i Kristy  dia toa manjaka ny « bibidia ».

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM