Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Janoary 2018
Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Salamo 95.1-5
1 [Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika. 2 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika. 3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy. 4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany.Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo
Salamo 95.1-5
Mpanjaka lehibe ny Andriamanintsika
1-Andeha hifampitaona hanome voninahitra Azy
Ny teny fanombohan’ny salamo, ity dia ny hoe : »Avia » . Teny manatsika sy miantso ary mitaona ny hafa izany . Fanaon’ny mpivavaka Israelita ny mitaona ny ankohonany sy ny havana aman-tsakaiza hiara-mivavaka any amin’ny Tempoly amin’ny fotoana hahatsapana ny herin’ Andriamanitra namonjy sy nanafaka azy . Eo no miseho ny fiantsoana hoe: »Avia » . Raha fantantsika ny herin’Ilay Andriamanintsika sy ny fahalehibiazany , nahoana no tsy taomina , na antsoina koa ny ankohonantsika hidera hanompo sy hanome voninahitra Azy , ka hiara -mivavaka any am-piangonana ? Misy zanantsika tsy voataonantsika , misy havantsika tsy mbola nantsointsika . Andeha isika hifampitaona hanome voninahitra ny Tompo.
2-Andeha haneho fiombonana hanatona Azy
Ny fahalehibiazan’ Andriamanitra dia nofoanany fa naka ny endriky ny mpanompo Izy .Amin’izay dia Izy no manatona antsika . ny tena mpivavaka marina anefa dia tsy mila vaniny hiandry an’ Andriamanitra hanatona azy hatrany , fa manam-piniavana hanatona an’ Andriamanitra kosa ary mazava ny teny hoe: « Manatona an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy » (Jak 4.8). Jereo fa mendrika halain-tahaka ny tenin’ilay mpino eo amin’ny and 2 hoe: « aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika ». Isika fa tsy olon-tokana , na izahay akory aza . Isika , dia izaho izay miantso sy ianareo no andeha hanatona ny Tompo be voninahitra sy hankeo Aminy , satria ilainy hiombona amin’ny fanompoana Azy isika izay mahalala ny maha- Mpanjaka lehibe Azy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM